<?xml version="1.0" encoding="UTF-8"?><song><author>O. Ahnfelt</author>
<hymn_number>127</hymn_number>
<title>Tahaka ny masoandro miseho FFPM127</title>
<lyrics>[V1]
 Tahaka ny masoandro miseho
 Toy ny heriny izay mahaleo,
 Na dia takon'ny rahona tao ;
 Tahaka izany Jesosy
 Mpamonjy,
 Izy nitsangana velona indray
 Ry olombelona, izay voavonjy
 Mba miderà Azy
 mandrakizay !

[V2]
 Saotra aman-dera sy laza sy
 hery,
 Aoka ho Azy hatramin'izao
 Izay nanafaka ny olom-bery,
 Indro ny fasana vaky sy lao.
 Izy nanafaka ny vavahady :
 Aiza, ry fahafatesana ô !
 Aiza ny herinao sahy miady
 Amin'ny mino sy amin'ny to ?

[V3]
 Jeso Mpamonjy ô ! mba
 hasoavy
 Ka mba arovy ny mino Anao,
 Ka ny Fanahinao aoka ho avy,
 Mba hanazava ny fonay izao ;
 Ary tantano izahay tsy hania,
 Fa Hianao no Mpiaro anay !
 O ! ry Mpamonjy anay, mba
 avia,
 Ka mba vonjeo, fa miandry
 izahay !

[V4]
 Jeso, izahay te-hisaotra tokoa
 Noho ny soa nomenao anay ;
 Teraka teto nitondra ny soa,
 Dia ny fiainana mandrakizay
 Saotra omenay Anao izay
 nijaly,
 Nefa natsangan'ny Rainao
 indray ;
 Rahatrizay izahay dia hifaly
 Any an-danitra mandrakizay !</lyrics>
</song>